<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>G.J. LeJeune</author>
<lyrics>[V1]
 Ny fihaonana an-tany,
 Ry Jesosy Tomponay,
 Vetivety, mora lany,
 Ka mangoraka izahay ;
 Namana nifankazatra
 Hifanao veloma anio,
 Ry Jesosy be fiantra,
 Ny mpandeha mba tahio.

[V2]
 Ny ho lasa mba tantano
 Tsy ho voa an-dalana ;
 Ny hitoetra koa tohano,
 Dia mba hiadana.
 Na maraina na hariva,
 Na aiza alehany etý,
 Mba ombay mandrakariva
 Mandra-podiny arý.

[V3]
 Any volana, any taona,
 Ny misaraka izao
 Enga anie ho tafahaona
 Raha mbola sitrakao.
 Ilay fihaonana ao ambony
 No irinay fatratra,
 Tsy hisaraka intsony
 Izahay ka sambatra.</lyrics>
<title>Ny fihaonana an-tany FFPM733</title>
<hymn_number>733</hymn_number>
</song>